<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ry Tompo be fitia !
 Izaho zanakao
 Tantano tsy hania
 Hiaraka aminao ;
 Fa mamiko tokoa
 Ny eo ankaikinao ;
 Tsy orin-java-tsoa,
 Izay sakaizanao.

[V2]
 Harena be an-tany
 Mamilivily fo,
 Fa tiana mora lany
 Ka tsy mampionom-po ;
 Izany aniriako
 Hifikitra aminao ;
 Atolotro ny foko
 Ho eo an-tananao.

[V3]
 Fa raha Izaho irery
 Voasakan-tsitrapo,
 Mandeha manirery,
 Ka maro no manjo ;
 Izany no ilàko
 Hiaraka aminao,
 Vimbino aho, Raiko !
 Ho eo an-tananao.

[V4]
 Tsy hitako mihitsy
 Izay mahafa-po,
 Tsy misy etý akory
 Izay tsy mety lo ;
 Fa ao am-paradisa
 No feno zava-tsoa,
 Tsy mahadisadisa,
 Fa sambatra tokoa.</lyrics>
<title>Ry Tompo be fitia ! FFPM481</title>
<hymn_number>481</hymn_number>
</song>